Lalàna vaovao momba ny asa : manaraka fiofanana ireo mpiantsehatra

Anjaran’ireo mpisehatra amin’ ny lalànan’ny asa, miisa 27, eto Antananarivo indray no nisitraka ny fiofanana momba ny lalàna vaovao mi­fehy ny asa, laharana 2024-014, tamin’ny 14 aogositra 2024, tamin’ity herinandro ity. Andiany voalohany ny fampiofanana nahitana ny Inspec­teurs sy Contrôleurs du Travail.
Maro ny zava-baovao sy ny fanatsarana entin’ity lalàna ity eo amin’ny sehatry ny asa. Anisan’izany ny fanamafisana ny zo fototra arakasa izay miompana amin’ny fanajana ny maha olona, ny fitovian-jo, ny tsy fanekena ny fanavakavahana, ny fahafahana ma­nangana fikambanana ary ny fifanarahana iombonana.
Eo koa ny fanatsarana ny fifandraisana isam-batan’olona eo amin’ny sehatry ny asa, ny adidy amin’ny fahazoana fanamarinam-pifanekena (visa) avy amin’ny Inspecteur du Travail ary ny fifanekena ho amin’ny fe-potoana voafaritra (CDD).
Fanajana ny tamberin’andraikitry ny fanjakana. Tan­jona ny hametrahana fiarovana sy fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa, izay amin’ny alalan’ny fametrahana politikam-pirenena mifandraika amin’izany.
Famaritana mazava ny zo sy andraikitry ny mpampiasa sy ny mpiasa manoloana ny fifindra-monina arakasa.
Natao hifehy ireo mpampiasa sy mpiasa misehatra amin’ny sehatra tsy miankina, na eny anivon’ny sehatra manara-drafitra izany na eny anivon’ny sehatra tsy manara-drafitra ny lalàna vaovao.

Tatiana A

Partager sur: