Minisitry ny Fitsarana: « Ilaina fiaraha-mientana ny ady amin’ny kolikoly »

Nisy ny fihaonana teo amin’­ny mpitahiry ny Fitombo­kasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotoman­dimby Benjamin, sy ireo filoha sy tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Am­baratonga voalohany sy ny Fi­tsarana ara-bola, manodidina an’Antananarivo. Teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra, omaly, no nanatanterahina izany fihaonana izany. Anisan’ny nisongadina nandritra izany ny fanentanan’ny minisitra ireto tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ireto ny amin’ny fiaraha-mientana amin’ny hiadiana ny kolikoly. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fandraisan’olona eo anivon’ny fitsarana mba hanatsarana ny endriky ny fitsarana manoloana ny vahoaka.
Tafaditra ao anatin’ny politika ankapoben’ity fitondrana ity ny fanjakana tsara tantana sy ny fitantanana mangarahara sy lavitry ny kolikoly. Anisan’ny sehatra iantefan’izany ny fitsarana, indrindra ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ara-bola. Izany indrindra no nanentan’ny minisitry ny Fitsarana ireto tomponandraikitra ireto.

Lin

Partager sur: