Oniversite Mahajanga : nohenoina ireo mpianatra

Nihaona mivantana tamin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra rehetra ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla.
Nihaino ny hetahetan’ireo mpianatra ny minisitra, mba ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony. Anisan’izany ny fangatahana “wifi” sy ny trano fonenan’ny mpianatra ary ny fampiakarana ny vatsim-pianarana hifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ankoatra izany, ny fametrahana jiro mba hiantohana ny fandriampahalemana eny amin’ny trano fonenan’ny izay ireo.
Nanome toky ny minisitra fa misokatra tanteraka amin’ny fifampiresahana ho fitadiavam-bahaolana ny minisitera. Nampahatsiahy ihany koa ny tenany fa azo atao tsara ny miresaka amin’ny filohan’ny Oniversite izay akaiky indrindra ny mpianatra.
Hojeren’ny fanjakana avy hatrany izay hamaliana ny fangatahan’ireo mpianatra indrindra ireo tena maika.

Tatiana A

Partager sur: