Parkour-Charles Perrière : mahaliana ny tanora ny fampianarany

Hiditra amin’ny andro faharoa, anio, ny fampiofanana mahakasika ny Parkour, izay tarihan’i Charles Perrière, kalaza maneran-tany eo amin’ity taranja ity. Namorona ity taranja ity ny tenany sady filohan’ny komisiona iraisam-pirenenan’ny Parkour. Liana amin’ny fampianarany ny mpanao Parkour
malagasy ary maniry ny hisian’ny fampiofanana toy izao hatrany. Tetsy ankilany, nanome teknika vaovao sy nizara ny traikefany i Charles Perrière ary mahatsapa fa manana talenta ny tanora malagasy misehatra amin’ity taranja ity. Mbola hitohy hatramin’ny fahafito septambra izao ny fifampizarana eny amin’ny zaridainan’Andohalo, izay hanomezana ireo taktika rehetra mahakasika ny taranja, ka hanampy an’i Charles Perrière amin’izany, i Anthony, filohan’ny komisiona malagasy ny Parkour.
Tsiahivina, tontosa ny herinandro lasa teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, andiany fahatelo, taranja Parkour sy ny nankalazana ny Andro Olympika natao teny amin’ny Parvis Analakely. Nisy ihany koa ny “Traceur gasy JAM” teny amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Fotoana natokana ho an’izay liana sy te hahafantatra bebe kokoa mahakasika ny taranja Parkour.

Mi.Raz

Partager sur: