Rugby – Top 12 Mada : hanohitra ny FTM ry Boaikely

Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny alahady 8 septambra ho avy izao. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Raha ara-taratasy aloha, manantombo ny Manjakaray ary hanala vela ny Ankasina amin’ity. Efa ela nifampiandrasana ny roa tonta. Anisan’ny ekipa misongadina sy mahavita dingana goavana amin’izao fotoana izao ny Boaikely manohitra. Hiendrika famaranana kely mihitsy, araka izany, ny lalaon’ny roa tonta. Ekipa samy manana ny fahaiza-manaony rahateo ny andaniny sy ny ankilany. Mampiasa ny tolotolotra haingam-pandeha ny TFMA raha manafangaro ny “trois quart” sy ny “avant” ry zareo FTM. Ankoatra izay, ady tsy vita ihany koa ny an’ny US Ankadifotsy sy ny STM (Savony). Hanala vela ry zareo Ankady amin’ity. Ekipa diso mifankahalala tsara ka ho resy izay ratsy fanomanana sy manao fahadisoana taktika.

Tompondaka

Partager sur: