Taorian’ny fikarohana nataon’ny tafika an-dranomasina sy ny teo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, hita omaly ny fatin’ ireo roa rendrika an-dranomasina niaraka tamin’ny lakana. Tany atsinananan’Ambodiforaha Sainte Marie no hita ny fatin’izy roa lahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Tonga nanao fizahana ireo razana ny dokotera. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary. Marihina fa rendrika an-dranomasina ny lakana nentin’ireo mpanjono efa-dahy, afakomaly. Noho ny fisian’ny andro ratsy no nitarika ny loza. Tany atsinanan’i Sainte Marie no nitranga ny loza tao amin’ny fokontany Ambodiforaha. Na teo aza ny fivadihan’ny lakana avotra soa aman-tsara ny roa lahy raha nentin’ny ranomasina kosa ny roa lahy hafa.
J.C