Notanterahina, omaly, ny fivoriana ara-
teknika ho an’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy U21, taranja karaté, tanterahina any Tunisie. Tsiahivina fa mpikatroka malagasy efatra mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa anio no hanomboka ny lalao any an-
toerana.
Mankalaza ny faha-25 taonany, ny CSLA (Club Sportif de Lutte Ambohimanarina). Ho fanamarihana izany, hisy ny fifaninanana karakarain’izay ireo, izay hiarahana amin’ny Ligin’Analamanga, taranja tolona, hatao ny 5 oktobra izao, eny amin’ny EPP Anosivavaka Ambohimanarina. Sokajy Poussins sy Benjamins no hifaninanana.
Hahazo 500000ar isaky ny sokajy, ireo mpandresy amin’ilay fifaninanana “King of BJJ”, taranja Jiu-jitsu Breziliana, hatao ny 15 septambra izao, eny Soanierana. Fifaninanana karakarain’ny Klioban’ny Estrella ary natokana ho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Ity no fifaninanana nisy “cash prize” voalohany.
Mitohy hatrany ny famitana ny fandaharam-potoana 2024, ho an’ny taranja basikety. Ny Élites 8 sy ny dingana farany amin’ny N1A lahy sy vavy indray no miandry ny federasiona manaraka. Fifaninanana hatao eto Antananarivo, ny 26 septambra hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao. Hifanindry an-dalana amin’io koa ny “Road to BAL 2025”.