TARATRY ny KANTO

Eny amin’ny FLM Ambatonjara By-pass, indray, ny Tanora Masina Itaosy no hanatanteraka « concert » na fampisehoana an-tsehatra iray manontolo, ny alahady 8 septambra izao, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hifantoka amin’ny lohahevitra : « Matokia, mitsangana, miantso anao izy » (Mar. 10 :49b) ny seho. Marihina fa feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy, ho an’ity taona 2024 ity.

Anisan’ny firenena maro fady indrindra i Madagasikara, fahiny. Io no anisan’ny nametraka rindran-damina nahavariana teo amin’ny fiarahamonin’ny mpiray tanin-drazana, mpiray tanana, mpiray vohitra, sns. Ankehitriny, nitsipaka ny ankamaroan’ireny fady ireny ny Malagasy. Navadiny sy noraisiny ho finoanoam-poana ny fady ka notainy… Dia izao ny vokany !

Samy nahazo ny anjarany ny tanora sy ny ankizy, tamin’ny alalan’ireo hetsika teny amin’ny IFM Analakely, omaly. Anisan’izany « Bonne pioche », atrikasa natao ho an’ny ankizy, natao hanairana ny famoronana ao anatiny sy hanatsarana ny fahafaha-mitadidiny. Teo ihany koa ny seho soradihy « Diavolana », niarahana tamin’ny Jarim’s Company.

Carine Ratovonarivo indray ny nizara ny traikefany sy fahaiza-manaony, nandritra ny atrikasa “Hay”, natao teny amin’ny Fondation H Ambatomena, omaly. Tao anatin’izany no nampianarana ireo ankizy amin’ny fanaovana sary, tsy voafetran’ny lohahevitra, saingy ao anatin’ny fitsipika sy fepetra mba hampanara-penitra izany.

Partager sur: