Anisan’ny zavakanto mbola miezaka mametraka ny toerany, eto Madagasikara ny majika. Maro ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’izany. Efa manomboka mahita vokany ny mpikarakara ankehitriny, noho ny fitomboan’ireo mpankafy ny hetsika
Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely ny “Scene Ouverte Magie”. Hetsika karakarain’ny avy eo anivon’ny Tranomboky monisipaly sy ny fitaleavana misahana ny zavakanto eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ary ny fikambanana Magic Squad. Natao hampivelarana sy hampahafantarana ny tontolon’ny majika eto Madagasikara izy ity. Matihanina, vao misandratra ary mpankafy majika maro no tonga niatrika izany seho izany. Raha ny hita omaly, taratra fa efa manomboka fantatry ny olona ny maha zavakanto azy ity fa tsy ilay heverin’ izy ireo ho herin’ny maizina.
Nisokatra ho an’ny mpanao majika, sokajy rehetra ny sehatra teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, araka ny foto-kevitra niforonan’ny hetsika. Fampiroboroboana sy fampivelarana ny zavakanto no tanjona, raha tsiahivina. Ho an’ny omaly, samy naneho ny fahaizany na ireo matihanina, na ireo vao misandratra. Ny seho nanehoana ny hakinga-tanana moa no tena nisongadina nandritra ny fampisehoana. Ankoatra ny fampisehoana, nisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny “mentalisme”. Izy ity izay zavakanto an-tsehatra, izay mitaky fahaiza-manao manokana amin’ny fahafehezana ny fahaiza-misain’ny olombelona.
Amin’ny ankapobeny, ireo tanora no tena liana amin’ny filalaovana sy fandalinana azy. Mijanona ho fankafizana fotsiny kosa izany ho an’ny ankizy, raha mbola ilaina fandresen-dahatra be ho an’ireo efa lehibe. Fifehezana ny fahaiza-misain’ny olombelona sy ny hakinga-tanana,araka izany, no ahafahana manatontosa ireny seho ireny, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Magic Squad. Ao anatin’ny ezaka fampahafantarana izany foto-kevitra ijorony izany sy ny maha zavakanto ity taranja iangaliany ity izy ireo amin’izao.
Lin.