Tsy hery fa fanahy !

 

Mihazakazaka izaitsizy ny hazalambo atsy Anjozo­robe ! Poa toa izay, rakotra miaramila ahitana Tafika sy zandary ny tanàna. Maherin’ny 400 raha ny tsilian-tsofina re ny vata-miaramila manao angaredona any an-toerana. Ry zalahy henjana amin’ny ady mafana vay no manao be midina, hoy ny mpilaza. Asa hanao ahoana ny vokatra ? Ny azo ambara tsy olombelona no olana fa ny paikady sy ny fampitaovana mihitsy.
Aiza ve ka misy hetsika manokana maharitra herintaona latsaka kely izao. Tsy mihena na foana ny fakana an-keriny, fa maika aza mirongatra sy mahazo vahana. Mila lamina sy paikady mifototra amin’ny fanahy maha olona izany. « Ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy », hoy ny oha-pitenena malagasy.
Misy hodidina marobe tsy azo amaivanina amin’iny faritra hitrangan’ny fakana an-keriny iny. Toy ny zava-drehetra anefa, misy lafiny roa hatrany. Eo ny tombony ho an’ny mpampandry fahalemana. Tsy azo odian-tsy hita koa ny sakana goavana ho azy ireo. Mila mijery akaiky sy mahay mandrindra ny toe-javamisy any an-toerana ny mpanao hetsika manokana.
Tsy azo tsinontsinoavina ny fomban-tany sy ny kolon­tsaina nahazatra ny mponina mahakasika ny ady amin’ny asan-dahalo. Iraha-mahalala fa faritra mena, anisan’ny nampikaika ny mponina i Betsiboka, Analamanga tapany avaratra, ary ny ao Alaotra Mangoro. Misy dikany lehibe ao ambadik’izany ka mila fandinihana lalina. Tsy ho vita moramora ny famongorana an’io trangam-piarahamonina io, raha mihanona fotsiny amin’ny basy aman-tafondro.
Olombelona samy olombelona manana ny hasiny mampiavaka azy na ny andaniny na ny ankilany, na ireo lasibatry ny fakana an-keriny. Ny fahaizana mikirakira izany no vahaolana maharitra, ifameno amin’ny vahao­lana maika entin’ny mpitandro filaminana.

r.r

Partager sur: