Voaroba teo am-bavahadiny: Karana voatsatoka antsy teo amin’ny lohany

Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ilay karana notsatohan’ny jiolahy ny antsy teo amin’ny lohany, afakomaly alina. Lasan’ireo mpanafika ny vola teny aminy mitentina 4 tapitrisa Ar.

Tsy milamina intsony ! Teratany karana iray na­ratra mafy notsatohan’ ny jiolahy ny antsy teo amin’ny lohany, afakomaly alina tamin’ ny 10 ora, tao Tanamakoa Toa­masina. Tompona trano fisakafoana iray ao Tanambao V mifanila amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy izy no nandrasan’ ireo jiolahy. Nandrasan’ireo jiolahy dimy nirongo basy sy antsy lavalela izy teo Tanama­koa. Teo anoloan’ny tranony niandry ny fisokafan’ny vavahady izy no nanatona azy ireo jiolahy. Vavabasy avy hatrany no nitohoka teo amin’ny lohany. Tsy vitan’izay fa notsindron’ny jiolahy iray ny antsy ny lohany. Vokany, naratra mafy izy ka tsy afa-nanohitra intsony. Lasan’ireo mpanafika ny vola 4 tapitrisa Ar azo nandritra ny tontolo andro tao amin’io trano fisakafoana tantaniny io. Na­lain’ireo mpanafika koa ny finday avolenta iray teny aminy. Naheno ity fanafihana ity avokoa ny olona teo amin’ny manodidina ny tranony saingy tsy nisy sahy nivoaka noho ny tahotra ireo olon-dratsy. Nony efa lasa ireo jiolahy vao nifanome tanana haingana nitondra azy namonjy hopitaly manara-penitra ao Morafeno ireo olona mpiray vodirindrina aminy.

Manao ny ataony ny jiolahy…

Nahitana ezaka ny fandraisana andraikitra ataon’ny tomponandraiki-panjakana ao Toamasina amin’ny fametrahana fandriampahalemana. Saingy, tsikaritra izao fa vao mainka manao ny ataony ireo olon-dratsy ireo. Na eo aza ny fanakatonana ireo trano fisotroana manomboka amin’ny 10 ora alina, toa mihantsy tanteraka ireo mpitandro filaminana mihitsy ny jiolahy. Satria, nifanindran-dalana tamin’izany mihitsy ity fanafihana tao Tanamakoa Toamasina ity. Anisan’ireo faritra mena amin’ ny tsy fandriampahalemana i Toamasina amin’izao fotoana izao.

Sajo/J.C

Partager sur: