Ahitana fiovana ny tohin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny Volley ball, amin’ny faran’ity herinandro ity, araka ny fampitam-baovao. Raha tokony hiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy 2è Division lahy sy vavy, ny programa manomboka ny 8 septambra izao, hiova izany, noho ny antony manokana. Araka ny fantatra, hiova ho “Open 2è Division Analamanga” izany fifaninanana izany ary hatao eto Antananarivo ihany, raha toa ka saika hatao any Alaotra Mangoro. Noho ny tsy fahatratrarana ny isa ilaina amin’ny mpandray anjara no anton’izao fiovana izao, raha ny voalaza tao anatin’ny fanambarana an-taratasy nataon’ny federasiona malagasin’ny Volley ball. Tokony nofoanana mihitsy ity fifaninanana ity, raha ny tokony ho izy, saingy, ho fanomezan-danja ny ezaka nataon’ireo klioba nisoratra anarana, dia nasiana ilay Open hatao eto Antananarivo. Tsy misy fiovana, araka izany, ny fitsipika sy ny programa rehetra saika hanatanterahina ilay “Coupe de Mada” fa saingy niova ho “Open” fotsiny. Araka izany, hanomboka ny 8 septambra izao ny fifaninanana ary haharitra hatramin’ny 15 septambra izao. Hampitaina manaraka kosa ny kianja sy ny toerana hanatanterahina ny lalao, mandritra io 8 andro io. Tsiahivina fa vao avy nanatontosa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, tany Antsirabe, ny federasiona malagasin’ ny Volley ball.
Mi.Raz