50 lavitrisa dolara ho an’i Afrika : hisitraka ny fiaraha-miasa amin’ny sinoa ny Malagasy

Tontosa omaly, tao Bejing, ny lanonam-panokafana ny fihaonana an-tampony andiany faha- 9, eo amin’ny fiaraha-miasa Sinoa sy Afrikanina. Nanatrika izany ny filoha Rajoelina Andry.

Notontosaina omaly, tao amin’ny Grand Palais du Peuple, tao Bejing, ny lanonam-panokafana ny fihaonana an-tampony andiany faha- 9, eo amin’ny fiaraha-miasa Sinoa sy Afrika (Focac 2024). Miisa 25 ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana mandray anjara. Any an-toerana ny delegasiona malagasy, tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nisy ny fandraisan’ity farany fitenenana, nandritra ny famelaberan-kevitra mahakasika ny sehatry ny fampiroboroboana ny indostria, ny fampivoarana ny fambolena ary ny fampandrosoana maitso.
Notsindrian’ny filoham-pirenena fa tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana anjara amin’izao velakevitra izao. Anisan’ireo andry telon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana mantsy ny fampiroboroboana ny indostria. Laharam-pahamehana ihany koa ireo tetikasa ahatongavana any amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Anisan’izany ny fanamorana ny fisitrahan’ny tantsaha ny taniny, ny fanomezana masomboly voafantina sy tsara kalitao…

50 lavitrisa dolara
Tetikasa maro no nivoitra mandritra ny fihaonana. Mi­laza ny sinoa fa mahatratra 50 lavitrisa dolara ny vola mihodina amin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Afrika sy Chine.
Niantso firaisankina sy fiaraha-mientana eo amin’ny roa tonta ny filoha Xi Jinping, nandritra ny lahateniny. Tanjona ao anatin’izany ny ahafahan’ireo firenena miatrika miaraka ireo ambana rehetra. Toraka izany ny fanatanterahana ny tetikasa maro hitondra fivoarana. “Hisy hetsika fiaraha-miasa miisa 10, tanterahina mandritra ny telo taona manaraka”, hoy izy. Anisan’ny hisitraka izany i Madagasikara, izay antenaina ho anisan’ny horesahin’ny filoha roa tonta mandritra ny fihaonan’izy ireo, anio. Marihina fa efa nisitraka tetikasa 26 i Madagasikara tamin’ny Focac 8.

Lin

Partager sur: