«Angaredona Mozika Festival»: Sehatra ivelaran’ny mozika miaina eto Madagasikara

Hotontosaina eto Antananarivo ny andiany faha-18. Tarika avy amina faritra maro, samy mivoy ny mozika miaina, no homena sehatra mandritra ny “Angaredona Mozika Festival”, hanandratany ny kantony.

«Angaredona». Maha­laza be izay anarana nosafidiana ho an’ity hetsika ho an’ny mozika miaina eto Madagasikara ity. Fantatra fa hotontosaina ny 20 hatramin’ny 22 septambra izao ny andiany faha-18 amin’ny «Angaredona Mozika Festival», izay raisin’ny Talenta Production an-tanana ny fikarakarana azy. Hatao eto Antananarivo ihany ny hetsika, ka nosafidiana ny eny amin’ny Naturia Palm Antanambao Ambohidrabiby handray izany.
Tarika avy amina faritra maro no notsongaina manokana, homena sehatra, amin’ity andiany ity. Misy amin’ireo no mbola vao hisedra sehatra goavana. Maro koa anefa ireo efa kalaza. Ny iraisany dia samy mivoy ny “mozika miaina” sy ny “mozika velona” izy ireo. Anisan’ireo nosafidiana ry Ravakiniala, Berthon Valiha, Madafeo, Or’Maroloko, Faby Belamaky, Antsabey, Mashimanjaka, ZMG, Nantenaina, Kaiamba, Liko Kininike, Tsilopla, Beuzaka, Nainako, Tahina Carine, Vetsonkira, Mpamanga, Fanaiky, Feo Kanto, Zandry Gasy ary i Stéphanie. Mazava loatra fa eo hatrany Rajery, izay miandraikitra ny fandrindrana ankapobeny sy ny lafiny ara-javakanto amin’ny “Angaredona Mozika Festival”.
Anisan’ny hetsika ara-javakanto goavana nitoetra aman-taonany ny “Angaredona”, izay nisy nanomboka ny taona 2004. Nitety faritra maro izany, ary nampiakatra mpanakanto aman-jantony, manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy fiakarana an-tsehatra fotsiny, fa irika iray ho an’ireo tarika mivoy ny mozika miaina, amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ihany koa izy ity. Misy hatrany ny fifampizarana traikefa, ny takalon-kanto ary ny fanohanana ny zavakanto mandritra izany.

Zo ny Aina

Partager sur: