Barea de Madagasikara: nomena mialoha ny fihaonana ny «Prime de présence»

Notontosaina omaly, tany Tunisie, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025”. Nitafa tamin’ireo mpilalao Barea ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred.

Mialoha ny fifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie, omaly, tany Tunisie, tonga nampahery ny Mala­gasy mpilalao ny filohan’ny Federasiona FMF, Randria­mana­m­pisoa Alfred. Araka ny vaovao voaray, nomena ireo mpilalao ireo ihany koa ny tambin-karaman’izy ireo, “prime de présence”.
Ankoatra izay, tonga na­nohana ny Barea tao amin’ny kianjan’ny Stade Hamadi Aguerbi Rade, ireo diaspora malagasy izay miisa 30 mahery sy ireo karatekas, izay miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any an-toerana. Mpitsara avy any Congo no nitsara ny lalaon’ny Barea sy ny voromahery tonizianina.
Ankoatra izay, nilaza sy nanamafy tao anaty tambajotran-tserasera ny FMF fa tsy mbola tonga ny fanamina Barea de Madagascar mitondra ny marika “Umbro”. No­marihin’izy ireo fa hosaziana izay tratra mivarotra hosoka amin’izany.

Hanala vela i Comores

Taorian’iny fifanandrinan’i Madagasikara sy i Tunisie, omaly, iny, hifandona amin’i Comores indray ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ny andro faharoan’ity ady tapakila hiatrehina ny “Can 2025” ity. Fihaonana izay hatao any Tunisie ihany, ny 9 septambra ho avy izao. Tsara ny mampahatsiahy fa manana isa iray i Gambie sy i Comores, rehefa nanao ady sahala 1 no ho 1, afakomaly, tany Maroc.

Fitia Randria

Partager sur: