Miditra amin’ny andro faharoa, anio, ny fametrahan’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny dosieny. Mbola niompana amin’ny fanomanana antontan-taratasy ilaina rehetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ny ankamaroan’ireo kandidà. Tsiahivina fa hifarana ny 29 septambra izao ny fanaterana ny dosie.
Efa nahavita ny fanamarinan-tsonia sy ny fametrahana izany teny amin’ny boriborintany I ny kandidà, ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ravalomanana Marc, afakomaly. Anisan’ny ilaina amin’ny firotsahan-kofidina ny fanatantaterahana izany, ankoatra ireo antontan-taratasy samihafa ilaina, hatao dika mitovy efatra.
Kandidà ben’ny Tanàna voalohany nametraka ny dosieny, hofidina eny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, Ranitratsilo Jimmy. Natolotry ny avy amin’ny tsy miankina ny tenany ary mametraka ny teny faneva : “Zanak’i Bemasoandro, mila resena ny fahantrana”. Naneho fahavononana ho amin’ny fanarenana ny tenany.