« Festival Temps Fort Danse »: hiaka-tsehatra ny Collectif Ndaty

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM Analakely), ny fampisehoana ny «Inclusion».

Soradihy iarahana amin’ny vondrona mpandihy, Collectif Ndaty izy ity, izay tafiditra ao anatin’ny hetsika «Festival Temps Fort Danse», andiany faharoa. Mifantoka tanteraka amin’ny dihy, manana tanjona ny hampivondrona ho iray ny dihy sy ny mpiangaly izany eto Mada­gasikara.

Ny Collectif Ndaty indray no hanafana ny sehatry ny IFM Analakely, amin’ity anio ity. Ny soradihy “Inclusion” no haroson’izy ireo mandritra izany. Tao anatin’ny efatra andro no nitarihina mpandihy matihanina roa, ireo vondrona mpandihy ahitana mpandihy miisa 15, samy manana ny maha izy azy. Izay fahasamihafana eo amin’ireo mpandihy ireo izay no nampiavaka ity soradihy ity.

Manodidina ny 45 minitra ny faharetan’izany soradihy izany, izay ahitana fifampizarana sy fanehoana fahaiza-manao maroloko avy amin’ireo mpandihy matihanina.

Lin

Partager sur: