Fiaraha-miasan’ny MJS – Unicef : tanora malagasy dimy ho any New York

Nanao tohivakana, omaly, ny fitsidihana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Mousta­pha, teny Ambohijatovo. Ani­san’ny nanatanteraka izany ny teo anivon’ny Unicef, izay nampiseho ny fahavonany hanohana ny tanora malagasy. Hisy ny “Sommet de l’avenir” hatao any New York, manomboka ny 18 septambra izao, ka Malagasy 5 hiatrika izany. Ireo tanora misehatra sy mavitrika eny anivon’ny fikambanana samihafa no hisitraka izany, araka ny fanazavana nentin’ny minisitra Abdulah Marson Moustapha.
Tetsy ankilany, nankasitraka ary nilaza ny hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Fanoitra ny Unicef. Nanamafy izay fiaraha-miasa izay ihany koa ny teo anivon’ny Nations-Unies, izay nohamafisin’i Sabine Lauber, Conseillère principale aux humains, fa vonona hanolo-tanana ny tanora sy ny fanatanjahantena malagasy hatrany izy ireo. Hiofana mahakasika ny taranja “Criquet” ny Malagasy.
Anisan’ny tonga nifampidinika tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, koa ny teo anivon’ny masoivohon’i Inde miasa eto an-toerana, tamin’ny alalan’ny Ambasadaoro, i Bandaru Wilsonbabu. Nasiany resaka nandritra ny fihaonana ny mahakasika ny taranja “Criquet” izay mety hifaninanana amin’ny lalao Olympika manaraka. Homena fiofanana any Inde, araka izany, ny atleta malagasy sy mpanazatra ary ny mpanao gazety ara-panatanjahantena mba hahafehy tsara ity taranja ity. Hisy ihany koa ny fandefasana manam-pahaizana manokana eto Madagasikara hizara traikefa.

Mi.Raz

Partager sur: