Fifanakalozana ara-barotra : « Mila havaozina ny lalàna mifehy ny Fadintseranana », hoy ny SIM

Mangataka ny hanavaozana ny fitsipika mifehy ny lalàn’ny fanondranana sy fanafarana entana eny anivon’ny Fadintseranana malagasy (DGD) ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana.

Tokony havaozina sy hifanaraka amin’ny filan’ny orinasa ny lalàna mifehy ny fanondranana sy fanafarana entana, hoy ny mpikambana avy amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) nandritra ny fihaonana «Business Meeting» niarahanany tamin’ny Fadintseranana malagasy (DGD) tetsy Akorondrano, ny talata teo. «Zava-dehibe ny fanavaozana ny lalàn’ny fanondranana sy fanafarana eto Madagasikara mba hifanaraka amin’ny zava-misy», hoy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana. Foto­ana nahafahan’ny roa tonta nifanakalo hevitra momba ny drafi-panavaozana entin’ny DGD ho an’ny ho avy ny fihaonana. Nasongadin’ny SIM manokana ny fampifanarahana ny fitsipiky ny Fadintse­ranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tokony hifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa izany, araka ny fanazavana voaray. Tanjona ny hampitombo ny vola miditra eo anivon’ny Fadintseranana sy hisorohana ny vesatra eo amin’ireo orinasa mba hampifandanja sy hampiroborobo ny toekarena.

Rindram-damina
Ankoatra izay, nampahafantatra ireo drafi-panavaozana eo anivon’ny Fadintse­ranana izay miompana manokana amin’ny « opérations douanières, l’amélioration de l’efficacité des procédures et le renforcement de la transparence » ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana, Lainkana Zafiva­nona Ernest. Marihina fa nanatrika ny fihaonana ireo manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny Clim Invest sy ny tomponandraikitra voalohany amin’ny toekarena ao amin’ny masoivohon’i Etazonia. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ho an’ny « Plan Stratégique 2025 -2029 ». Tsiahivina fa fitaovana iray anisan’ny manan-danja eo amin’ny paikady ara-toekarena ny Fadintseranana ho an’ny firenena iray.

Henintsoa Hani

Partager sur: