Efa mifarana ny fotoam-pialantsasatra ho an’ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Mizotra sy miverina any amin’ny tany niaviany avokoa izy ireo tamin’ity herinandro ity. Betsaka, araka izany, ny fiara avy any amin’ny faritra mizotra mankaty Antananarivo.
Efa manomboka miverina tsikelikely any an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpianatra, tamin’ity herinandro ity. Efa tafaverina any amin’ny tany niaviany avokoa ny ankamaroan’ny mpiala sasatra. Misy ny andrasana ho avy mandritra ny faran’ity herinandro ity. Tao anatin’ny herinandro izay, nihena ny isan’ny mpandeha miala eto Antananarivo mankany amin’ny faritra, raha ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny Gara Maki Andohatapenaka. Mitombo kosa ireo fiara mitondra mpandeha avy any amin’ny faritra miakatra eto Antananarivo. Betsaka ireo olona avy any amin’ny faritra miverina eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao ka antony mahatonga izany. “Mamonjy fodiana avokoa ny ankamaroan’ny mpiala sasatra tany amin’ny faritra, indrindra ny tany amoron-dranomasina ka antony mahabetsaka izany”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ ny toeram-piantsonana Maki Andohatapenaka, Ranaivoson Fidy. Haharitra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny fahamaroan’ny mpandeha avy any amin’ny faritra ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mbola milamindamina izy ireo amin’ny fandaniana lany rehetra nandritra ny fotoam-pialantsasatra ka anton’izany. Hiverina amin’ny laoniny sy ny fandehanana mahazatra indray ny zotra rehetra aorian’ izay.
Be mpandeha ny RN4
sy RN6
Nandritra ny fotoanan’ny fialantsasatra hatramin’izao, be mpandeha indrindra ny ny zotra miankandrefana mankany Mahajanga (RN4) sy ny mianavaratra mankany Ambanja (RN6), raha ny fanadihadiana natao hatrany. Ireo fiara avy any amin’ny RN4 sy RN6 amin’izao fotoana izao no tena mahafeno fiara na nandritra ny fialantsasatra na amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Somary vitsy kosa ireo fiara avy any Toamasina (RN2). “Tsy dia nahaliana ny mpiala sasatra loatra ny faritanin’i Toamasina raha ny tamin’ity taona ity noho ny fahasimban’ny lalana”, hoy hatrany ny fanazavana. Misy ihany ireo mpandeha fa tena vitsy raha oharina amin’ny isan-taona.
Mahatratra 15 ora ny faharetan’ny lalana
Olana iraisan’ny mpitatitra rehetra manerana ny Nosy ny fisian’ny haratsian-dalana. Manahirana ho an’ny mpitatitra manoloana izany, indrindra ny any amin’ny lalam-pirenena faha-4 sy faha-6 ary faha-2. Raha ho an’ny Mahajanga manokana, tany ho any amin’ ny adiny 11 na 12 ny lalana taloha. Ankehitriny, efa mahatratra hatramin’ny 15 hatramin’ny 16 ny faharetan’ny lalana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Manampy trotraka izany ny fitohanana eny an-dalana. Raha ho an’ny lalam-pirenena faharoa manokana. Manodidina eo amin’ny adiny sivy eo ny lalana mankany teo aloha. Efa mahatratra hatramin’ny 11 hatramin’ny 13 ora kosa izany ankehitriny, noho ny fahasimban’ny lalana.
Miteraka harerahana sy fitomboan’ny fandaniana eo amin’ny mpandeha sy ny mpamily izany zava-misy izany. Mitombo ihany koa ny vatsy izay nomanina noho ny fitomboan’ny ora lany.
Tsy dia nahitana tsy fandriampahalemana
Nilamindamina ny trangana tsy fandriampahalemana nandritra ny fotoanan’ny fialantsasatra tamin’ity taona ity, raha ny tatitra voaray hatrany. “Hisaorana ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpitandro filaminana teny amin’ireo faritra mena rehetra teny an-dalana”, hoy hatrany ny tomponandraikitry ny tobim-piantsonana Andohatapenaka, Ranaivoson Fidy. Ambany kokoa ny fisehoan’ny lozam-pifamoivoizana nandritra io fotoana io, raha ny fanazavany hatrany. Antony maro ny mety mahatonga ny loza. Miankina amin’ny mpamily ny 80% ny hatsarana na haratsian’ny dia eny an-dalana satria izy no mahafantatra na ara-dalàna tsara ny fiara entiny na tsia. Mety hitarika amin’ny loza ny fisongonana mampidi-doza, ny fandehanana mafy loatra, ny fandraisana zava-pisotro mahamamo…
Ilaina ny fandeferana eny an-dalana
Ilaina ny fandeferana eny an-dalana eo amin’ny samy mpamily fa tsy tokony hanapatra ny tanjaky ny fiara eny an-dalana eny. Tokony hitandrina foana ny mpamily eny am-pitondrana mpandeha. Indraindray, hiala sasatra na avy niala sasatra no anton-dia nefa noho ny tsy fitandremana kely
fotsiny dia mitarika loza sy fahafetasana. “Entanina hatrany, araka izany, ny mpamily mba hanaja sy hitandrina mandritra ny fotoana rehetra eny an-dalana mba hisorohana ny loza”, hoy hatrany izy.
Nanatontosa : Mino