Nanentana ireo mpiasan’ny orinasa afakaba
ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaovana fandrindram-piterahana. Nidina nitety ireo orinasa ny ekipa ho fitsinjovana azy ireo. Tsy manam-potoana firy andehanana eny amin’ny tobim-pahasalamana ireo mpiasa ka izany indrindra no antony hanaovana hetsika manokana ho azy ireo.
Miroso hatrany amin’ny fiarovana ny taniny ny orisana Seimad. Tsy maintsy handraisana fepetra ny fiarovana ireo taniny manoloana ireo olona izay miditra an-keriny na antsokosoko amin’izy ireny. Voararan’ny lalàna ny fidirana amin’ny tany manan-tompo ary ho hentitra ny fepetra fiarovana sy ny sazy.
Mpiadina 5 538 niatrika ny fanadinam-panjakana CAE/EP manerana ny Dren 23 teto Madagasikara. Nizara tamin’ny foibem-panadinana 69, nahitana efitranon-tsekoly 218, izy ireo. Vita tamin’ity herinandro ity, tsy nisy tomika, ny fanadinana ary miandry ny valin’izany ireo mpiadina.
Nandamina ny asa fanadiovana ny lakandrano C3 ny tetikasa Produir, tamin’ity herinandro ity. Fotoana nihainoana ny hevitr’ireo sefo fokontany eny ifotony ihany koa. Mampikoriana ny rano ny fanalana ny fotaka sy ny fako ao amin’ny lakandrano C3 ka anisan’ny vaindohan-draharahan’ny tetikasa.