Jiolahy iray voatifitra: Basy roa sy bala 10 tratra

Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao Ankofafalahy Fianarantsoa, omaly tamin’ny 1 ora maraina ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Nifanehatra tamin’ireo polisy nanao fisafoana ny tanàna ity jiolahy ity, saingy tsy nanaiky hosavaina fa nitifitra avy hatrany. Raikitra teo ny fifamaliana tifitra teo amin’ilay jiolahy sy ny polisy. Rotiky ny bala ny vatany ka namoy ny ainy izy. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy no nahitana basy roa niaraka tamin’ny bala 10 teny aminy. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy no nahafantarana fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana tokantrano iray ao Ankofafa ny 1 aogositra 2024 teo ity jiolahy ity. Nanamafy ny fisafoana sy ny fanangonam-baovao manoloana izany ny teo anivon’ny polisin’ny UIR. Mitohy ny fikarohana ny naman’ity jiolahy ity.

J.C

Partager sur: