Na tsy azo ampifandraisina loatra aza, satria, samy manana ny hanitra ho azy. Misy fifamatorana ihany ny kolontsaina malagasy sy ny finoana nampidirin’ny vahiny noho ny nisian’ny vanim-potoana ela niarahan’ny roa tonta. Na izany aza, aleo ny fototra no hilaza ny fahamarinana !
Tsy nankalaza ilay lazain’ny kristianina fa «andro nahaterahan’ny Mpamonjy» na ilay antsoina hoe Krisimasy isaky ny 25 desambra, ny Malagasy. Ampahana tranga itsaran’ny vahiny sy ny Malagasy sasany fa «tsy mpivavaka ny Malagasy». Fomba fijery diso sy mandiso tanteraka ny tantara sy ny zava-misy marina na ny fototra momba ny firenena iray ny tahaka io. Ninian’ny vahiny novoizina mafy mba ho petra-kevitra hifantsika any amin’ny amparahatoky ny Malagasy. Izany hoe, niova tanteraka ny hevitry ny «mivavaka» rehefa mby sy nilona teo anivon’ny fiarahamonina malagasy ka niainany ireo fivavahana nampidirim-bahiny. Niova nanaraka izany ihany koa ireo fombafomba arahina rehefa mivavaka, sns.
Na nisy na tsy nisy, anefa, izay fidiran’ny fivavahana isan-karazany teto Madagasikara izay, olona matahotra sy mahalala ny fisian’Andriamanitra ny Malagasy. Mivavaka amin’Andriamanitra Andriananahary izy, ary mametraka izany ho eo an-tampon’ny loha hatrany : «Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha». Io ilay fototra mila fantatry ny Malagasy, satria, ijoroan’ny maha izy azy. Mba tsy ho kilalaom-bahiny eto hatrany, aleo mijery ny tena fototra.
Nanjary osa amin’ny lafiny rehetra
Aman-jato taona no nifangaro tamin’ny fivavaham-bahiny io fototra io, hany ka nanova zavatra maro. Iray tamin’ireny, nanjary osa amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Matahotra fadiranovana raha tsy miditra any am-piangonana isan-kerinandro satria any, hono, no toeram-pivavahana. Hadino ny fisian’ny zorofirariazana.
Tsy ilaina, hono, ny mijery andro raha hanatanteraka zavatra na asa iray fa finoanoam-poana izany. Hadino ny fisian’ny mpanao hitsakandro sy ny mpanandro ary ny mpisikidy. Tsy nijanona hatreo fa nosoram-potaka ilay hasina lehibe ao anatin’ireny olon-kendry ireny. Niha osa eo amin’ny fahalalana indray ny Malagasy.
… Tsy vitan’ny osa irery intsony fa nanjary nitoky tamin-javatra tsy fantany ny Malagasy, hany ka tsy nety nitohoka ny zava-drehetra. Ny olona na ny toerana tokony hidio na hodiovina, tsy maninona fa efa voafafan’ilay tranga tany amin’ny 2000 taona lasa ny helony ! Vokany, sady very hasina no tsy mataho-tody ny Malagasy maro… Tonga amin’izao toerana misy azy izao i Madagasikara !
HaRy Razafindrakoto