Maty voatifitry ny zandary tao Miadana kaominina ambanivohitr’Ambohibary Vohilena distrikan’Anjozorobe, afakomaly hariva ny jiolahy iray naka an-keriny ankizivavy 9 taona. Nalaina an-keriny saingy tafaporitsaka sy afaka niantso vonjy ny lasibatra. Henon’ny fokonolona teo an-tanàna izany ka raikitra ny fifanenjehana. Voasoroka mialoha ny fikasan-dratsin’ilay jiolahy noho ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Tonga malaky sy ara-potoana ny mpitandro filaminana.
Mafy ny fifanoherana satria naratra ny iray tamin’ireo fokonolona nanenjika. Nitohy ihany ny fitsoahan’ilay jiolahy ka voatery nitifitra ny mpitandro filaminana. Vokany, maty tsy tra-drano izy. Taorian’ny fanadihadiana no nahafantarana fa isan’ireo jiolahy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-piadiana ity maty voatifitra ity. Mpiray tendro tamin’ireo mpaka an-keriny nampihorohoro ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Nentina namonjy hopitaly haingana ilay naratra. Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ireo mpitandro filaminana ao anatin’ny hetsika «Harato II».
J.C