Ny entan-jaraina mora zaka

 

Raha mihazakazaka izaitsizy ny resaka diplaomasia any ivelany, hita manova fomba fiasa ihany koa ny mpitondra ato anatiny. Zava-dehibe ny fifanampiana eo amin’ny minisitera isan-tsokajiny. Anisan’ny mahafinaritra ohatra ny fifanomezan-tanana eo amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Asa vaventy. Misy ny fiaraha-mientana amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa.
Santionany amin’ny fomba fiasa tokony sy tsy maintsy ataon’ny samy mpikambana anatin’ny governemanta izany. Izay no maha manontolo lehibe azy. Mifam­piankina sy mifampila ny singa mpandrafitra azy ireo. Anisan’ny ilana fifandrombonana sy angaredona, ohatra, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tsy natokana irery ho an’ny mpitandro filaminana izy io.
Ankoatra izay, tsy natao ho an’ny mpitondra fanjakana samy irery ny asa fampandrosoana an’i Madaga­sikara. Miandry ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena tsirairay, afaka manao izay vitany sy mitondra ny anjara birikiny ihany koa ny firenena. Milaza ho tia sy sarotiny, kanefa mialangalana sy mifanjana.
Tsy ampy ny fimenomenomana sy ny fifanomezan-tsiny. Mila miray hina sy mifanampy ny Malagasy tsivakivolo. Tsy ny fanjakana mihitsy no hiambina ny trano fivoahana na ny trano fidiovana ho an’ny vahoaka. Tsy ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy velively no hitandro ny jiro napetraka ho fanazavana ny tanàna. Tena mampiteny ny moana ny zava-misy fa dia tena sanatrian-dresaka fa « mpangalatra » sy mpandrava efa toa voalavo ny Malagasy.
Tsy afa-miala amin’ny miara-mirona sy ny fiaraha-mientana ny mpiray tanindrazana vao afaka manova ny toe-java-misy ankehitriny. Tafahoatra ny tsy fanjariana sy ny fahalovana eto amin’ny firenena. Tsy maintsy mifoha Ramalagasy ! Mila mifampizara andraikitra.

r.r

Partager sur: