PAM sy ny BNGRC : hamafisina ny fiomanana mialoha eny ifotony ho an’ny dimy taona

Namaritra ny fandaharanasa iarahana ho an’ny dimy taona ho avy ny BNGRC sy ny Pam hanamaivanana ny fiantraikan’ny voina amin’ny vahoaka sy ny fihariany. Hahazo vahana ny fiomanana mialoha eny ifotony.

Nanohy ny fiaraha-miasa tamin’ny fanamafisana ny fitohizan’ny asa iarahana ny BNGRC sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), omaly. Tetikasa ho an’ny dimy taona hoavy no natao sonia teny Andrainarivo izay hifototra amin’ny fanamafisana ny fahafahan’ny olona eny ifotony miarina aorian’ny fisehoan’ny voina samihafa. “Ho voasahana avokoa ny lafiny rehetra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Hamafisina ny ezaka rehetra amin’ny fiomanana sy ny fiarenana aori­an’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny voina hafa. Tafiditra
amin’ny fanarenana ny fametrahana fotodrafitrasa mahazaka rivodoza amin’ireo faritra misedra izany matetika isan-taona. Hofanina koa ireo mpisehatra eny ifotony, mpiserasera mivantana amin’ny va­ho­a­ka, ary hovatsiana fitaovana izy ireo. Hatao mifanaraka amin’ny filana eny ifotony ny vahaolana homanina mialoha.
Manana paikady manokana ho an’ny firenena iasany ny Pam, ny BNGRC efa mampihatra ny paikady nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, ary mitovy ny tanjon’izy ireo amin’ ny fomba hanamaivanana ny fahavoazana ateraky ny voina. 20 taona niasana teto Mada­ga­sikara ny Pam amin’ny fanohanana ny maha olona, manoloana ny voina ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. “Zava-dehibe ny fiomanana eny ifotony sy ny fahafantaran’ny tsirairay ny andraikiny rehefa tonga ny loza”, hoy ny solontenan’ny Pam eto amintsika, Mamadou Mbaye.
Anisan’ny miavaka i Mada­gasikara amin’ny fananana paikady sy politika nasionaly fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ka tonga maka traikefa eto amintsika ny firenena afrikanina maro.
Vonjy 
Partager sur: