RN2 : nifampizarana ny asa fanamboarana

Anisan’ireo nanatrika ny fivoriana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra amin’ny fanamboarana ny lalana RN2, mifampitohy amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).

Mirefy 9 662 km izany lalana izany. Anisan’ny nitarika ny fihaonana ny minisitra, Andriantsitohaina Naina. Teo koa ny ekipan’ny sampandraharaham-paritry ny MFFT sy ny Asa vaventy. Ny avy amin’ny Prefektioran’ny faritra Atsinanana sy ny Fitsa­rana ary ny Tahirim-bolam-panjakana, miaraka amin’ny orinasa Sinohydro sy ny avy amin’ny kaominina. Nifanaza­vana tamin’izany ny anjara andraikitry ny sampana tsirairay amin’izao fanamboaran-dalana izao.
Nitohy tamin’ny fitsidihan’ny minisitra ny biraon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany any an-toerana izany. Teo koa ny fijerena ifotony ireo asa fanorenana an-dalam-panantanterahana amin’izao fotoana izao.
Ankoatra izay, anisan’ny tetikasa fampandrosoana sy vina napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny tetikasa “Ankohonana miarina”. Mano­me tanana ao anatin’izany ny MFFT amin’ny alalan’ny sampandraharahan’ny Fandrefe­san-tany. Iandraiketan’izy ireo amin’izany ny fanatsatoham-bato sy ny fanavahana ireo ampahan-tany, miisa 500 ao Ambohimiarina, distrika Arivo­nimamo. Hotanterahina ny herinandro ho avy izao izany.

Synèse R.

Partager sur: