TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Main Main. Anisan’ireo mpanakanto mpamoron-kira, mpitendry ary mpandrindra hira nanosika tarika maro izy. Saika nisy dian-tanan’i Main Main avokoa ireo hira malazan’ireo tarika avy any avaratra tamin’ny fotoan’androny. Ilay hirany “Tsy mahangoma” sy “Soava dia” no tena nahafantarana azy. Izay rahateo no nahatonga ny anarany ho Main Main Soava Dia.

Efa lany avokoa ny tapakila amin’ilay seho hataon’i Rossy. Miandry ny fotoana anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina kosa ireo efa nahazo izany. Tafiditra anatin’ilay andian-tseho fikarakaran’ny onjampeo RDJ etsy amin’ny La City Ivandry io. Miandry ny seho manaraka, amin’ny toerana goavana kosa ireo izay naniry hijery fa tsy afaka.

Nate Tex, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny fampisehoana “Up Fitiavana”, ny faran’ny herinandro teo, manome fotoana ireo mpankafy azy indray i Nate Tex, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Arahin’ireo mpitendriny hatramin’izay, Fy (vata maroafitsoka), Nah Arimanana (sax), Rico Rason (gitara beso), Micka Randrianarivo (amponga maroanaka) ary i Manitra Rabarisoa (gitara).

Bolo etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hizara ny “Ravitoto” sy ny sanganasany maro ho an’ireo mpankafy azy Ra-Loob sy ny mpitendriny anio manomboka amin’ny 8 ora. Toy ny mahazatra, hikisaka hanatontosa ny «after live & jam session» eny amin’ny Le Garage Antsahavola indray izy ireo aorian’izay, manomboka amin’ny 10 ora alina.

Partager sur: