Rahampitso, any amin’ny kaominina Andranomiady, distrika Ankazobe, no hanombohana ny tetikasa Rindra Ananganana Vina amin’ny maha Olombelona na R.A.V.A.O. Tetikasa manokana an-dRandrianarisoa Riana Raymonde, amin’ny maha mpanao gazety mpanadihady lalina azy. Hitondrana fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena sy ara-panahy ny vahoaka malagasy, miainga eny ifotony izany. « Tanjona ny fanentanana ny Malagasy mba ho mpiantsehatra fototra amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara », raha ny fanazavany. « RAVAO, izay misary ho fanomezana baiko, manery ny mpiray tanindrazana handrodana izay ratsy sy tsy mety amin’ny fiainany mba ahafahany manova. Rehefa alavaina anefa dia midika ho fananganana sy fiainam-baovao », izay no nahatonga ny anarana, hoy hatrany izy.
« Finiavana sy fahatsapan-tena ary fandraisan’andraikitra no tsy ampy eto amin’ny firenena. Tsy hiandrasana fidirana any anaty rafitra vao manao zavatra ho an’ny taninjanaka sy ny mpiray tanindrazana », hoy hatrany Randrianarisoa Riana Raymonde. « Izay rahateo ny fomba fiasa ho entina manatanteraka ity tetikasa ity. Miala amin’ny mahazatra sy ny fanaganana fikambanana fa na iza na iza, na aiza na aiza dia tokony hijoro ireo afaka mizara sy mitari-dalana. Hisy ny tari-dalana amin’ny fanabeazana, ny fahaiza-miaina ary ny fanentanana amin’ny fanajana lalàna. Anisan’ny hampiavaka ny tetikasa koa ny fanabeazana ara-panahy. Ny ara-panahy izay anisan’ny miantoka ny maha olombelona ka ilana fikolokoloana », hoy izy namarana ny fampahafantarana ny tetikasa. Tanjona ny hahavitana fitetezana ireo kaominina 1700 misy eto Madagasikara, arakaraka ny fahafaha-manao.
Lin