Tsy voalohany ny olobe Masikoro any Toliara II, ny Vezo, ny Antandroy, ny Tagnalana Toko Bey Telo sy ny mpiara-dia aminy, naneho ny fanohanany ny tetikasa Base Toliara. Toraka izany koa ny mponina any an-toerana, mitaky ny hanokafana indray ity orinasa ity. Matoa izy ireo, nisy fotoana nanginana, tsy milavo lefona, fa miandry am-pahatoniana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Miray feo izy ireo, ankehitriny, tsy manaiky intsony ny fihetsik’ireo olom-bitsy sy mpanao politika manohitra ny tetikasa sady mamafy lainga sy tsaho.
Nanazava ny filohan’ny Toko Bey Telo, Randriatahiny Salomon, fa be loatra ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy an’asa. Ary asa madinika tsy mahavelona ny fianakaviana raha mahita, toy ny fitarihana posy bisikileta…Tsy misy afa-tsy ny fisokafan’ny Base Toliara ny vahaolana. Efa misy ny teknisiana manazava ny rehetra, milaza fa tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana, ny lalana, ny rano, ny fitrandrahana ataony.
Ho an’ny Sekretera jeneraly (SG), Arivolaza Edmond, mangataka ny filoham-pirenena hamerina indray ity tetikasa ity, satria maharitra loatra ny fotoana. Miandrandra fatratra ny hanokafana ny orinasa ny mponina. « Lainga no hafafin’ireo olona izay tsy mipetraka aty aminay akory », hoy Rafesy Jean-Claude. « Mijaly tsy mahita asa izahay satria tsy misy ny orinasa. Lasa mpitarika posy ny zanakay », hoy i Didi Raisoa, sefo fokontany Ambovovonosy Maromiandra.
Njaka A.