Tontolon’ny paikafo: nodimandry Andriamanantena Solofo Andry

Alarobia 4 septambra, nodimandry teo amin’ny faha-72 taonany, Andriamanantena Solofo Andry, fantatra amin’ny solonanarana «A.S. Andry», amin’ny maha mpanakanto azy. Ny tontolon’ny paikafo ( sary amin’ny takelaka hazo nosokirina tamin’ny «vy» mahamay) no tena nahafantarana ity zanak’i Rado mpanoratra (Georges Andriamanan­tena) ity. Asa tanana nampamirapiratra ny talentany, sa­tria, hainy ny mamoaka sary amin’ny alalan’io paikafo io. Na ireo heverina fa sarotra aza, tontosany amin’ny antsipirihany ka mampitolagaga izay mahita. Manana feo tsara sy mazava i A.S. Andry, ka ny taona 1990 izy no nanomboka niantsa ny tononkalon’i Rado. Ireo rehetra nifanerasera taminy, niloa-bava avokoa fa : «olona tsotra sy be fitiavana i A.S. Andry. Manana endrika mirana hatrany izy». Anisan’ny tiany ny mizara sy mampita fahalalana momba ny kolon­tsaina sy ny zavakanto ma­lagasy. Maro amin’izy ireny rahateo no ananany fahalalana. Hita soritra eny aminy ny hafaliana rehefa izy avy niresaka tamin’ny tanora.
Teraka ny 26 marsa 1952 Andriamanantena Solofo Andry. Zanaka lahimatoan’i Georges Andriamanantena. Hiala ao an-tranony «Fone­nana Maradona Angola», eny Madrosoa Ivato ny nofony, ny alahady 8 septambra izao, amin’ny 12 ora sy sasany. Hatao veloma farany ao amin’ny fiangonana FJKM Trano­vato Faravohitra, alohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasam-pianakaviana Makpela Anjanahary. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: