TSELATRA

Voasambotra ka natolotra ny polisy misahana ny heloka bevava ny lehilahy iray ahina ho nandray anjara tamin’ilay fanafihana mpamongady iray eny Anosibe Tsena, afakomaly. Notondroin’ny olona izy fa hoe naman’ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ilay fanafihana. Nihaodihaody teo akaikin’ilay tranombarotra mpamongady izy ka nohiahian’ny olona. Lasan’ireo mpanafika ny vola 26 tapitrisa Ar.
Notrongisin’ny lamasinina ny fiara kely nentin’ny renim-pianakaviana iray, omaly teny Antanimena. Nampaneno anjombona fanairana toy ny mahazatra ilay lamasinina kanjo mbola niditra namaky ny lalamby ny fiara nentin’ilay vehivavy io. Noeritreretiny fa mbola lavitra ity fiarandalamby ity ka tsy nahataitra azy ka nitsofoka ihany izy. Vao tafatsofoka ny lohan’ny fiarany dia notsenain’ilay lamasinina sady notaritaritiny. Potika tanteraka ny fiarany. Avotra kosa ilay renim-pianakaviana.

Partager sur: