VAOVAO TAMBATRA

Hitarina miankandrefana ny lalana « Rocade Iarivo » eto an-dRenivohitra. Hanao ny fanadihadiana mialoha ny tetikasa ny Fandaharanasa japoney, Jica. Nisy ny fivorian’ny Vaomiera mpandrindra ny tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny ao amin’ny Jica. Tanjona ny hanatsarana, ny hanitarana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, sady hanamaivanana ny fitohanana.

Hatao ny 12 hatramin’ny 15 septambra ho avy izao, eny amin’ny Zone Forello Tanjombato, ny Foaran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FIA). Fotoana ahitana fampirantiana sy varotra, famelabelaran-kevitra, fikarohana lalam-barotra, fihaonana mivantana eo amin’ny mpamatsy sy ny mpanjifa (B2B). Eo koa ireo mpisehatra samihafa sy ny mpiray ombon’antoka isan-tsokajiny.

Tontosaina eto Antananarivo, ny 19 septambra ho avy izao, ny Fivoriambe iraisam-pirenena ho an’ireo manana petra-bola ao amin’ny Africa50, tohanan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Natsangana ity rafitra ity hanafainganana ny fananganana fotodrafitrasa aty Afrika, izay sehatra lehibe sy fitaovana fampiharana vaovao ho an’ny fampandrosoana sy famatsiambolan’ny Bad.

Partager sur: