Nisolontena an’i Madagasikara mandritra ny hetsika “WorldSkills 2024” any Lyon-Frantsa, ny 10-15 septambra, ireo mpanao asa tanana malagasy 15. Hampisondina ny fahaiza-manaony sy ny fanaovana haingon-trano amin’ny alalan’ny asa tanana samihafa mandritra io fotoana io ny solontenan’ny firenena. Fifaninana natao ho an’ireo matihanina maneran-tany, ahafahana mampisongadina ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny asa tanana maherin’ny 60 ny “WordSkills”. Ity farany izay atao isaky ny roa taona sy amina firenena samihafa. Hisy, araka izany, ny fampirantiana sy fampahafantarana maneran-tany ny asa tanana malagasy entina hampiroboroboana izany mandritra ny dimy andro hanaovana ny hetsika. Ny alarobia teo, nihaona tamin’ireo delegasionina malagasy handray anjara amin’ny hetsika “WordSkills” ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, i Viviane Dewa. Naneho ny fahavononany hanohana ireo solontenan’ny firenena ny tenany amin’ny fandraisana anjara amina fifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy izao.
Henintsoa H.