Antandrevaka ataon’ny mpiasan’ny kaominina: Ampangain’ny ben’ny Tanàna ho fanimbana azy

«Tsy nanome baiko ha­nao fihetsika sahy hitondra polisy kaominaly nandroaka sy nangorona ny eloben’ireo mpivarotra trondro, izay napetraka vonjimaika eny amoron-dranomasina ireo aho », hoy ny ben’ny Tanànan’i Toa­masina, Ra­ko­tonirina Nan­tenaina Heri­lala, raha nantsoina an-telefaonina. Nanaovana fanamarinam-baovao momba ny fihetsika nataon’ny polisy kaominaly sasantsasany eto Toamasina tamin’ireo mpivarotra trondro ny mpanao gazety momba izany. Fanimbana azy ny ataon’ny sasany amin’ny fanaovana zavatra toy izao mitranga izao, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna ihany.
Raha iverenana, mpivarotra teo ambony tetezana teo aloha ireo nesorina ary nafindra ary nomena toerana vonjimaika eny amoron-dranomasina. Ny ben’ny Tanàna sy ny governora teo aloha mihitsy no indray nankato izay famindran-toerana azy ireo izay. Izao korontanin’ny mpiasa sasantsasany izao indray. Ankilany, raha ny fanazavana nataon’ireo mpivarotra trondro ireto hatrany, saika tonga any amin’izy ireo isaky ny sabotsy sy alahady ireo mpiasan’ny kaominina sasatsasany ireo ary mangataka vola na trondro amin’izy ireo. Vokany, feno ny kapoakan’ny mpivarotra ka izao niakatra ny Lapan’ny Tanàna izao. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

Sajo

Partager sur: