Cenhosoa : nahazo fitaovana ny fitsaboana zaza

Tonga tao amin’ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana (Cenhosoa) ny fikambanana Soleil Marmailles notarihin’ny dokotera Razafintsalama Sylvie avy ao amin’ny Nosy La Réunion, afakomaly tolakandro. Nitondra anjara biriky amin’ny fanohanana ny ezaka fitsaboana ataon’ny Cenhosoa izy ireo ka nanolotra fitaovana maro ampiasaina eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny famelonan’aina sy ny ” Service de Pédiatrie et de néonatalogie. “Table de réanimation, appareil UV, appareil respirateur” sy fitaovam-pitsaboana maro samihafa no natolotr’izy ireo tamin’izany. Nandray ireto vahiny ireto ny tale jeneralin’ny Cenhosoa, ny Profesora Ratovondrainy Willy sy ny lehiben’ny Sampandrahara misahana ity fitsaboana ity ny Kly Andrinirina Zafintsara Zo ary ireo tomponandraikitra eo anivon’ny hopitaly. Nankasitraka ity fikambanana vahiny ity ny Tale jeneralin’ny hopitaly noho izao fiahiana manokana ny fandraisana an-tanana ny ankizy mila fitsaboana eto anivon’ny hopitaly izao ary koa ny fanomezan-danja ny maha olona izay tafiditra indrindra amin’ny fampiharana ny politika ankapoben’ny fanjakana. Tanjona eo anivon’ny hopitaly miaramila rahateo ny hananana rafi-pahasalamana matanjaka sy akaikin’ny vahoaka.

Jean Claude

Partager sur: