Coach Rôrô – Fifanintsanana « CAN 2025 »: «Tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy mandresy an’i Comores»

Mbola samy mitsakotsako ilay faharesena nanoloana an’i Tunisie avokoa ny rehetra, indrindra ireo mpilalao sy ny mpanazatra. Nezahin’ireo teknisianina sy ny federasiona narenina ny toe-tsain’ireo Barea ary vonona ny handresy an’i Comores, ny andro faharoa.

Na teo aza iny faharesena, 1 no ho 0, nanoloana ny Aigles de Car­thage Tunisie, ny alakamisy lasa teo iny, mbola tafiditra tsara ao anatin’ny hazakazaka hiady ny toerana ho any amin’ny « CAN 2025 » ny Barea de Madagascar. “Tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy mandresy an’i Comores amin’ny alatsinainy ho avy izao, eo amin’ny andro faharoa ny Barea de Madagascar”, hoy ny coach Rôrô.
Nitondrany fanazavana fa tsy ny tenany no nanala an’i Thomas Fontaine fa ilay mpilalao mihitsy no nangataka hiala. “Tsy fotoana fanalana vodilaharana afovoany mihitsy ny ohatr’ireny saingy milaza tsy mahavita intsony izy ka voatery nesorina”, araka ny nolazainy. Nanamafy izany rahateo i Fontaine fa misy marary ny feny ka izany ny antony. Tsy miala andraikitra amin’ny faharesena ny mpanazatra, indrindra fa teo amin’ilay baolina maty tany amin’ny fanampim-potoana. “Efa nomena an-dry zalahy ny toromarika rehetra tao anatin’iny fanampim-potoana iny saingy mbola iny no nitranga”, hoy hatrany ny coach Rôrô. Mahakasika ny baolina tokony ho natolotr’i Tendry an’i Carolus indray, tsy nanome tsiny ny mpilalao izy. Mbola lesoka, hoy izy, ny tsy fahaizan’ny lohalaharana mamono baolina satria nanana “occasion” telo ny Barea. Ny amin’ny fampidirana an’i Tendry sy i El Hadary, nambarany fa tsy tara fa efa voakajy tsara. Ho an’i Demoleon, tsy nanafina izy fa nisy ny fahasorenana noho ny zava-misy teny am­bony kianja. Na izany aza, nahafinaritra azy satria niray hina ny mpilalao na nisy aza ny fotoana sarotra teo am-boalohany fa rehefa nametraka ny fomba filalaony ny Barea, sahirana ny tonizianina. “Mbola vonona amin’ny lalao manaraka, ary hanome ny fara heriko”, hoy izy.

Tompondaka

Partager sur: