Nanakambana sokajin’olona sy karazan-tsehatra samihafa ny « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahatelo, notontosain’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem, omaly. Tazana tao anatin’ity dia rodobe ity ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka sy mpandalina ny teny malagasy, ny akademisianina, ny fikambanana mitovy asa sahanina amin’ny Havàtsa-Upem tahaka ny Faribolana Sandratra, mpanoratra, olon-tsotra sy liana… Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-72 taonan’ny Havàtsa-Upem ity hetsika lehibe ity. Nisongadina nandritra ny famakian-teny nisesy ny hafanam-po hamerina indray ny hasin’ny soratra sy ny teny malagasy. Aina vao ho an’ny haisoratra sy vaky boky.
Raha tsiahivina, ny andron’ny 6 septambra 1952, teto Antananarivo no namoronan’ireo poety sy mpanoratra ary mpanao gazety mahatratra 15 mirahalahy ny Havàtsa-Upem : Régis Rajemisa Raolison, Elie Charles Abraham, Daud Ratsarazaka, Nivo-Hary, Flavien Ranaivo, Dox na Jean Verdi Salomon Razakandraina, Ener Lalandy, Pénombre Andriampenomanana, Jean Louis Razafindratre, Odeam Rakoto, Pierre Janvier Abraham, Michel Guste Rakotonirina, Raymond Abraham, Michel Paul Abraham ary Raharison Faustin.
Ny 22 oktobra ka hatramin’ny 26 oktobra, ao amin’ny Tranombokim-porenena Anosy no hanatanterahina ilay hetsika lehibe « Herinandron’ ny Havàtsa – Upem». Ho hita sy iainan’ireo rehetra ho tonga eny ny fampirantiana boky, famoahana boky, fiantsana tononkalo, filalaovana tantara an-dampihazo, sns.
HaRy Razafindrakoto