Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny sekretera maharitry ny Organisation pour l’harmonisation du droit des affaires (Ohada), ny Pr Mayatta Ndiaye Mbaye, teny Mahazoarivo, afakomaly. Nifantohan’ny fihaonana ny fanirian-dry zareo ny hidiran’i Madagasikara ao anatin’io fikambanana io. Nilaza ny Praiminisitra fa mbola mila fifampidinihana eo amin’ny mpisehatra rehetra ny amin’izay.
Nifarana tany Ampefy, omaly, ny atrikasa fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja eto Madagasikara, izay naharitra hateloana. Tanjona ny famondronana ireo tomponandraikitra rehetra, handrafetana paikady sy drafitra enti-manatratra ireo tanjona apetraka amin’ny fandraharahana ny fonja: ny fandraisana an-tanana ireo voafonja sy ny fanomanana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.
Nanao fitsidihana, ara-pomba fanajana, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, omaly, ny masoivohon’i Frantsa miasa eto Madagasikara, Arnaud Alexandre Guillois. Noresahina nandritra ny fihaonana ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana traikefa eo amin’ny parlemanta roa tonta.
Tontosa, omaly, ny fifidianana izay hitondra ny Fiangonana Loterianina Malagasy. Voafidy tamin’izany ny Mpitandrina, Dr Rakotozafy Denis, izy izay efa teo amin’izany toerana maha filohan’ny FLM izany ihany. Tamin’ny alalan’ny isam-bato 399 no nahalany azy, raha 104 kosa ny an’ny Mpitandrina, Dr Andrianjaka Olivier, izay anisan’ny nofidiana ihany koa.