Habibiana : lehilahy iray nanolana an-janany

Habibiana ! Izay no azo ilazana ny fihetsika nataon’ny raim-pianakaviana iray 41 taona tamin-janany naterany vao 8 taona monja teny Ambohijanaka, ny herinandro teo. Vitany ny nanolana io zanany naterany io ary efa fanaony izany. Tamin’ny alalan’ny fitoriana nataon’ny vadin’ity raim-pianakaviana ity no nahafahana nanenjika azy. Vao nahafantatra io fitoriana nataom-badiny io anefa ilay nahavanon-doza dia lasa nandositra avy hatrany. Tsy lasa lavitra anefa ity farany fa tratran’ny fokonolona ka natolotra ny zandary. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nilaza izy tao anatin’ny fanadihadiana fa tsy vao sambany no manolana io zanany fa matetika mihitsy. Tsy nanaiky kosa ny vadiny ka izao nametraka fitoriana teny amin’ny zandary izao. Tsy vitan’izay fa manao herisetra an-tokantrano koa izy rehefa mamo, araka ny fampitam-baovao voaray hatrany. Taorian’ny famotorana, natolotra ny fampanoavana izy ka naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy.

J.C

Partager sur: