INDRAY MIJERY

58,86% ny taham-pahafahana fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity. 58,01% izany ho an’ny bakalorea ankapobeny ary 74, 58% ho an’ny bakalorea teknika. Nidina kely io taha io raha oharina tamin’ny taon-dasa (59,93%). Tsiahivina fa nilamina ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity, tsy toy ny tamin’ny taon-dasa.
Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny Conférence des présidents et recteurs d’institutions d’enseignement supérieur na Copries. Fivoriana fara-tampony mandinika sy manapaka ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony eto amin’ny firenena. Nodinihina ny momba ny fizotry ny famaranana ny taom-pianarana 2023-2024, ny fidirana ho an’ny taom-pianarana manaraka, ny andian-dalàna mifehy ny fizakantenan’ny Oniversite…
Manoloana ny faharendrehan’ilay Sambo Iharana ao Taolagnaro dia nidina avy hatrany ny mpiasan’ny Fahasalamana avy ao amin’ny faritra Anôsy, niaraka tamin’ ireo tomponandraiki-panjakana, nitondra fanampiana ho an’ireo traboina. 25 mianadahy no noraisaina an-tanana ny fijerena ny fahasalamany ary nalefa harahi-maso any amin’ ny CHRR avokoa izy ireo.

Partager sur: