JNEB andiany faharoa : manana tombony ny faritra Atsinanana

Mahafeno ny fepetra amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga i Toamasina, noho izy manana ny ranomasimbe Indianina sy ny lakandranon’i Pangalana mirefy 647km. Tombony ho an’ny faritra Atsinanana ny fananany ny seranan-tsambo lehibe indrindra izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mampidi-bola sy mamelona tokantrano maro ihany koa ny jono amin’alalan’ireo rano ananan’ny faritra. Toerana mahasarika mpizahatany i Toamasina noho ny hakantony. Izany indrindra ny antony nisafidinana azy hankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny toekarena manga (JNEB), andiany faharoa. Fotoana hijerena ny fampandrosoana ny toekarena manga ny hetsika toy izao. Nisy ny lohahevitra samihafa novoaboasana, toy ny vahaolana amin’ny fampandrosoana an’i Afrika ny toekarena manga. Ilaina ny drafi-panajariana ny ranomasina, ny fahavononana eo amin’ny sehatry ny toekarena manga amin’ny fampiasana ireo fitaovana isan-karazany azo trandrahana izany. Marihina fa tonga any an-toerana manatrika ny hetsika ireo mpisehatra amin’ny toekarena manga avy any Afrika sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.

Henintsoa H.

Partager sur: