« Jôkôsô – Festival du Rire » : hiditra amin’ny andiany fahefatra ny hetsika

Zavakanto iray manana ny toerany amin’izao fotoana izao ny hatsikana, indrindra ny sokajy “Stand Up”. Hetsika lehibe iray manondrona ireo Malagasy mpanao hatsikana ny “Jôkôsô – Festival du rire”, ny karazany izay nataon’ny zoky teo aloha, na ny “Stand Up” vao taty aoriana.

Tanterahina ny 11 hatramin’ny 15 septambra 2024, amin’ireo ivontoerana ara-kolontsaina maro samihafa, eto Antananarivo ny « Jôkôsô – Festival du rire » andiany fahefatra. Mpanao hatsikana maro samihafa no handray anjara amin’ity hetsika ity, ahitana ireo mpanao hatsikana sokajiana ho zokiny ary koa ireo voasokajy ho vao misandratra. Fampisehoana, velakevitra, atrikasa maro samihafa no handravaka ny hetsika. Ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ny Mala­gasy mpankafy hatsikana, tanjon’ny mpikarakara ny hampivondrona sy hampitambatra ho iray ny hatsikana malagasy sy ny mpiantsehatra amin’izany.
Fotoan-dehibe hihaonan’ ny fianakaviamben’ny hatsikana indray ny “Jôkôsô – Festival du Rire” andiany fahefatra. Anisan’ny hampiavaka ity andiany ity ny fandraisan’anjaran’ireo mpanao majika. Hisy ny fampisehoana iarahana amin’ny “Magic Squad”, mandritra ny lanonam-panokafana, izay atao ny 11 septambra 2024, eny amin’ny Centre AES Amboditsiry. Anisan’ny mampiavaka ny hetsika ihany koa ny fanaovana asa sosialy. Ny ankizy tezaina eny amin’ny Centre AES Amboditsiry no hisitraka izany asa sosialy izany amin’ity andiany manaraka ity.
Ankoatra izay, ho hita mandritra ny “Jôkôsô – Festi­val du Rire”, avokoa ireo hetsika sy mpanao hatsikana nahafantarana ity fotoan-dehibe ho an’ny hatsikana ity. Anisan’izany ny fampisehoana iarahana amin’ireo sokajiana ho zokiben’ny hatsikana, sahala amin-dry Gothlieb, Francis Turbo, Dadavy, Barhone, Etsetra Etsetra. Hiaka-tsehatra ihany koa anefa ireo malaza ankehitriny sy vao misandratra. Eo ihany koa ny fandraisan’anjarana teratany vahiny mpanao hatsikana. Rodrigue no hizara ny fahaiza-manaony amin’ity andiany fahaefatra ity. Izy izay mpanao hatsikana teratany frantsay manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny hatsikana maneran-tany.

Lin

Partager sur: