Kianja Barea : hovitaina mialoha ny marsa 2025

Tonga nijery ny fivoaran’ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny kianja Barea, teny Mahamasina, omaly, ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihan’ny minisitra Abdulah Marson Moustapha. Nambarany fa tsy maintsy vitaina mialoha ny volana marsa 2025 ny fanamboarana rehetra. Efa tokony hatao eto Madagasikara ny “fenêtre 2”, amin’ny fifanintsanana amin’ny CAN 2025.
Misy ny pitsopitsony ara-teknika mila jerena akaiky, araka izany, mba hahazoana ny fankatoavana avy amin’ny Caf sy ny Fifa. Eo andalam-pijerena izany ny tompondraikitra amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’izany, ny vavahady fidirana, ny bozaka, ny trano fisoloana akanjo sy ny maro hafa. Tokana ny tanjona, dia ny hahafahan’ny Barea miatrika lalao eo amin’ity kianja ity faran’izay haingana. Hafa ihany, hoy ny minisitra, izany milalao an-tanindrazana izany. Satria, misy ireo mpijery marobe manohana. Havaozina faran’izay haingana ihany koa ny kianja any amin’ny faritra, hahafahana mandray fifaninanam-pirenena sy fifaninanana eo anivon’ny ranomasimbe Indiana.

Mi.Raz

Partager sur: