Milaza ho iraky ny fitondrana : vehivavy tratra nisoloky ho mizara Tosika fameno

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny vehivavy iray misoloky ho iraky ny fitondram-panjakana ka mizara Tosika fameno teny Ankeribe, fokontany Mandrosoa, kaominina Alakamisy Anosiala Ambohidratrimo. Olona 300 nahazahoany vola 500 Ar avy.

Aza jerena amin’ny en­driny ! Na teo aza ny hatezeran’ireo olona saika hanao fitsaram-bahoaka tamin’ity renim-pianakaviana iray mpisoloky ity, voasoroky ny zandary mialoha izany teny Ankeribe fokontany Mandro­soa, kaominina Alakamisy Ano­siala, distrikan’Ambohi­dra­trimo, afakomaly. Tonga nitety tokantrano teny anivon’ny fokontany Mandrosoa ny renim-pianakaviana iray tsara resaka tamin’ireo fokonolona izay ni­laza fa iraky ny fitondram-panjakana handray ny anaran’ireo hisitraka ny To­sika fameno. Nitakiany 500 Ar isan-tokantrano ireo olona nandritra ny fidinana ifotony nataon’ity vehi­vavy misan­doka andraikitra ity. Mandritra ny fakam-bola ataony no nampanantenainy fa homena lelavola 250 000Ar ny isan-tokantrano ka maro ireo tokantrano roboka. Sahi­rana rahateo izy ireo ka voajonony tamin’ny alalan’io fakam-bola 500Ar isan-tokantrano io.

Nisy nahatsikaritra fa misoloky izy…

Olona manodidina ny 300 isa no voaangony sady nahazoany vola 500 Ar. Teo am-pitadiavana toerana malalaka, nolazainy fa handraisany ny anaran’ireo olona ireo izy no nisy nampandre haingana ny zandary. Satria, nisy nahatsikaritra fa misoloky ity vehivavy ity. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao famotorana savaranonando azy. Rehefa nitaky ny taratasy manama­rina ny iraka ataony ireo zandary dia nilaza izy fa tsy misy ilana izany ka tsy nitondra izany taratasy izany izy. Nony efa nahafantatra ireo olona marobe dia nanomboka tezitra taminy ka saika hanao fi­tsaram-bahoaka. Nentin’ny zandary haingana izy noho ny hatezeran’ireo olona voasolokiny. Heloka anenjehana azy ny fisolokiana sy fisandohana andraikitra. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana ka hatolotra ny fitsarana izy aorian’ny famotorana azy. Anatra ho an’ireo olona tsy te hisasatra ny toy izao. Ny olona koa entin’ny fahantrana dia maika hahazo vola.

J.C

Partager sur: