Nitovy ny fomba fijery eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny Pnud, nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, omaly, teny Ambohijatovo, dia ny fanomezana sehatra ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tetikasa roa samy mifantoka amin’izany ny « Youth Connect sy ny Youth Corner », izay nambaran’ny eo anivon’ny Pnud fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetikasan’izy ireo. Fantatra ihany koa fa handray ny “Youth Connect Africa i Madagasikara”, ny taona 2025, ary naneho ny fahavononany sahady ny Pnud amin’ny fanohanana izany. Vonona izy ireo hanohana sy hanaraka akaiky ireo tanora malagasy amin’ireo tetikasa ireo. Toraka izany koa ny tetikasa “Fanoitra” izay misy teboka maromaro mifandraika amin’ny finiavan’ny Pnud hanohana ny tanora. Hanamora ihany koa ny fifandraisan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena amin’ireo minisitera maro any ivelany, ny Pnud, noho izy ireo manana rantsa-mangaika any amin’ireo firenena maro manerana izao tontolo izao. Nambaran’ny minisitra Abdulah Marson Moustapha fa efa fanamby napetrany, tamin’ny vao nandray ny MJS, ny hiarahana miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Mi.Raz