Ny vahoaka aloha…

 

Nanaovana tombana tamin’ny asa vitany avy ireo minisitra teo aloha izay nanao fianianana. Inona no vita ary inona no tsy vita sy antenaina fa ho vita? Miankina amin’izay ny ho tohin’ny raharaha amin’izao, ny tantana sy ny tantara. Hanao ahoana? Mandra-pitrangan’izay hitranga, manao tombana ho azy koa ny vahoaka amin’izany rehetra izany. Izy no antom-pisiana sy iasan’ny fitondram-panjakana. Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka: nampindrana fahefana, tompon’ny teny farany. Efa mba misy ve, ohatra, izay hoe fihatsaram-piainana ahay amin’ny fiatrehana isan’andro vaky ny fahasahiranana efa ho lava: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa…
Tsia, tsy hoe tsy mahita sy tsy manara-maso ary mitsara ny ataon’ny mpitondra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga ny vahoaka, na toa mangina sy tsy mihetsika aza. Hatraiza ny fahatanterahan’ny fanamby nampanantenaina? Tsy latsak’izany: aiza ho aiza ny fampandraisana anjara ny vahoaka ifotony amin’ny fampandrosoana? Na an-tanàn-dehibe io, na ambanivohitra. Mba tsy ho tama-mantam-bonona fotsiny, na miandry sy manantena lava. Izay vonon-kandroso no mora ampandrosoana, izay matoky tena no azo atokisana, izay mandeha no lasa lavitra…
Efa tena mafy loatra ny fiainana amin’izao? Na tena mandifotra ny fahantrana…
Hatramin’ny fanasan-tanana avy, ohatra, rey olona, no ampianarina, ny tsy fivarotana any anaty lalana, ny tsy fanekena ny karazana fisolokiana noho ny tsy fandehanana amin’ny ara-dalàna sy izay alehan’ny besinimaro… Efa tena tratran’ny fahalovana noho ny fahantrana ny fiarahamonina? Ny rehetra sy ny tsirairay no tomponandraikitra sy tompon’antoka, raha samy manao tsara izay tandrify azy avy. Mby amin’ny hoe ny daholobe ho an’ny tsirairay, ny tsirairay ho an’ny daholobe?

R. Nd.

Partager sur: