Oniversiten’Antananarivo : manome fahalalana mahakasika ny fakiolte EGS

Manatanteraka varavarana misokatra ny fakiolte Economie Gestion ary Socio­logie (EGS) eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso, anio sy omaly. Hetsika natokana ho an’ny mpianatra sy ny ankizy liana amin’ireo lalam-piofanana voalaza ireo. «Natao hanomezana ny tsara ho fantatra sy fahalalana ilain’ny ankizy mahakasika ireo lalam-piofanana ireo sy ny asa miandry aorian’ny fianarana izy io», hoy ny Pr An­driamahefazafy Fanome­zan­tsoa, Doyen de la faculté EGS, Oniversiten’Antana­na­rivo. « Mahafantatra dieny izao ny asa miandry azy ireo any aoriana ny mpianatra rehefa manana ny fahalalana rehetra mahakasika ny lalam-piofanana arahiny », hoy hatrany izy. Manodidina ny 1 000 hatramin’ny 1 500 isan-taona ireo mpianatra mahazo ny mari-pahaizana «Li­cence » amin’ny lalam-piofanana EGS eny amin’ny oniversiten’An­tana­narivo. Tsy maintsy karakarakaina manokana izy ireo mba hahafahany miasa aorian’ny fianarana. Anisan’ny antony hiaraha-miasa betsaka amin’ny mpiray ombon’antoka izany. Amin’ny alalan’ny fitondrana tolotrasa isan-karazany. Hanomboka ny 29 , 30 ary 31 oktobra izao ny fifaninanana hidirana amin’ireo lalam-piofanana telo ireo, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Amin’ny faran’ny volana no­vambra ny mahakasika ny lalam-piofanana Asa sosialy sy ny fampandrosoana ary ny fiofanana ampitain-davitra. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary hifarana ny 25 oktobra izany. Arakaraka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ny hamaritana ny isan’ny mpianatra horaisina mandritra izany.

Mino

Partager sur: