Rugby – “XXL top 12” : hanohitra ny FTM ny TFMA

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Anisan’ny lalao te­na andrasan’ny maro, amin’izany, ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA An­kasina.
Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny mpi­lalaon’Ankasina, boay kely manohitra. Tsiahivina fa ny 17 marsa lasa teo, teny Ando­hatapenaka ihany, lavon’ny FTM tamin’ny isa 33 no ho 28, ny Boay kely manohitra. Ho toy ny famaranana kely ity fifandonana ity, ny ekipan’ i Manjakaray no laharana amin’ny “Top 12”, ary fahatelo kosa ny TFMA.
Mialoha ity lalao ity, hifandona amin’ny USA Ankadi­fotsy ny ekipan’ny Savony STM.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny ekipan’ny FTM no tompondakan’i Madagasikara, farany teo, ary tsy mbola resy mihitsy izy ireo hatramin’ny nanombohan’ny fifanintsanana tamin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Ankoatra izay, hisy lalao ho an’ny vehivavy, diviziona faharoa, izay hihaonan’ny XV Red Tanjombato sy ny Fanja Anjanahary.

Fitia Randria

Ny fandaharan-dalao rahampitso :
11 ora : 3FB vs FTBA
1 ora : USA vs STM
3 ora : FTM vs TFMA

Partager sur: