Salon de l’Agronomie 2024 : hampahafantatra ny tontolon’ny famokarana

Hotanterahana ny 17-20 septambra ny « Salon de l’Ag­ronomie » andiany voalohany eny amin’ny Sekoly ambony momba ny haifamokarana sy ny Zavaboahary (ESSA), ny Oniversiten’Antananarivo. Hampahafantatra ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka maro samihafa ao anatin’ny tontolon’ny Agronomie ny hetsika. « Tanjona ny hampahafantatra ny rehetra fa miantoka ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanjarian-tsakafo ny « Agronomie », hoy ny talen’ny sekoly, Pr Randria­nariveloseheno Arsène Jules, omaly. Anisan’ny mitondra vahaolana ho an’ny tantsaha ny sekoly ambony noho izy mampihatra ireo voka-pikarohana eny amin’ny tontolo ambanivohitra toy ny masomboly, zezika ary ny fitantanana ny rano.

Trandrahana
Mbola malalaka ny sehatry ny Agronomie eto Mada­ga­sikara na eo amin’ny famokarana na ny fanodinam-bokatra. Mahatratra hatrany amin’ny 9 tapitrisa Ha ny tany azo volena eto amintsika saingy mbola ny 1,5 tapitrisa Ha ihany no voavoly vary ka mahatonga ny fanafarana. Araka izany, « hitady vahaolana momba ny fanjarian-tsakafo ny sekoly ambony momba ny haifamokarana sy ny zava-boaray, hampiroborobo ihany koa ny famokaran’ny tantsaha amin’alalan’ireo voka-pikaroahana entiny », hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Marihina fa hisy ny hetsika ara-kolontsaina sy fampirantiana ny tolo-pianarana ary ny famoahana ireo mpianatra nahavita ny fianarana mandritra ny « Salon de l’Agro­nomie ».

Henintsoa Hani

Partager sur: